<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>4</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Fanahy ô midina,
 Manatreha anay anio Ianao
 Mba hanoloranay,
 Ny vavakay mangina
 Vetsovetsom- po 'zay atolotray
 Vola sy ny harena
 Samy tsy anananay
 Fa indro vavaka mangina
 Fanoloran-tena ho Anao tokoa.

[V2]
 Ry Fanahy ô monena
 Aza mba mandao anay Ianao
 Kolokoloy 'zahay
 Hitombo fahendrena
 Ka tsy hahafoy hiarak' Aminao
 Ota sy rendrarendra
 Samy te handavo anay
 Soa ihany, soa fa eo Ianao Fanahy
 Vonona hitahy ny fiainanay.

[V3]
 Ry Fanahy ô , meteza
 Mba handray anay ho mpianatrao
 Avia Ianao,
 Avia mampahereza
 Hahatonga anay mba ho irakao
 Eso sy fitsapana
 Samy manakivy anay
 Ka taomy , taomy hanam-po mafana
 Herim-po vaovao hiasa ho Anao.</lyrics>
<title>Ry Fanahy ô FF4</title>
</song>